2 Chronicles 22:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nampanjaka an’i Ahazia, faralahin’i Jehorama, handimby azy ny mponina tany Jerosalema; fa ny zokiny rehetra izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby dia efa matin’ny andian-tafika avokoa. Koa i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, no nanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Okoziasa zanak’i Jôrama faralahy no nampanjakain’ny mponina ao Jerosalema handimby azy, fa ireo zokiny rehetra, efa matin’ny mpitoha ady niara-tonga tamin’ny Arabo, tao an-toby. Izany no nanjakan’i Okoziasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny mponin’i Jerosalema nampanjaka an’i Ahazià, faralahin’i Jôrama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin’ny andian’olona mpanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Izany no nahatonga an’i Ahazià ho mpanjakan’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin'ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, no nanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nampanjaka an’i Ahazia, faralahin’i Jehorama, handimby azy ny mponina tany Jerosalema; fa ny zokiny rehetra izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby dia efa matin’ny andian-tafika avokoa. Koa i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda, no nanjaka.
malagasy
[Ny nanjakan'i Ahazia] Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin'ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, no nanjaka.