2 Chronicles 22:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Joseba, zanakavavin’ny mpanjaka, dia naka an’i Joasy, zanak’i Ahazia, ka nanala azy avy teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao amin’ny efitrano fandriana. Nafenin’i Joseba, zanakavavin’i Jehorama mpanjaka, vadin’i Joiada mpisorona, izy, fa anabavin’i Ahazia mantsy Ravehivavy, mba tsy ho hitan’i Atalia, dia tsy voavonony izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Jôasa zanak’i Okoziasa anefa, nalain’i Jôsabeta zanaka vavin’ny mpanjaka, nesoriny avy tamin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina tamin’izay, ka napetrany tao an’efitranom-parafara, izy sy ny mpitaiza azy. Toy izany no nanafenan’i Jôsabeta zanaka vavin’i Jôrama mpanjaka, vadin’i Jôiadà mpisorona, anabavin’i Okoziasa, an’i Jôasa, ka tsy nahitan’i Atalia azy, sy tsy nahafatesany azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa i Jôsebà, zanakavavin’i Jôrama mpanjaka, dia naka an’i Jôasy zanakalahin’i Ahazià ka namonjy azy teo anivon’ireo rahalahiny efa novonoina; ary napetrany tao an’efitrano fandriana niaraka tamin’ny mpitaiza azy. Io Jôsebà vadin’i Jôiadà mpisorona sady zanakavavin’i Jôrama mpanjakan’i Joda io moa dia anabavin’i Ahazià; nafenin’i Jôsebà i Jôasy mba tsy ho hitan’i Hatalià, ka dia tsy mba voavono ho faty.
Malagasy Bible 1865
Fa Joseba, zanakavavin'ny mpanjaka, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin'i Joseba, zanakavavin'i Jehorama mpanjaka, vadin'i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin'i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan'i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Joseba, zanakavavin’ny mpanjaka, dia naka an’i Joasy, zanak’i Ahazia, ka nanala azy avy teo amin’ireo zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao amin’ny efitrano fandriana. Nafenin’i Joseba, zanakavavin’i Jehorama mpanjaka, vadin’i Joiada mpisorona, izy, fa anabavin’i Ahazia mantsy Ravehivavy, mba tsy ho hitan’i Atalia, dia tsy voavonony izy.
malagasy
Fa Joseba, zanakavavin'ny mpanjaka, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin'i Joseba, zanakavavin'i Jehorama mpanjaka, vadin'i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin'i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan'i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy.Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon'Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany