2 Chronicles 22:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny saina nomen’ireo azy no narahiny ka niara-nandeha tamin’i Jorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, izy, hiady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, tao Ramota-Gileada; ary nahavoa an’i Jorama ny Arameana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny torohevitra nomeny azy koa no nandehanany niaraka tamin’i Jôrama zanak’i Akaba mpanjakan’i Israely, hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tany Ramôta-Galaada. Nandratra an’i Jôrama ny Sirianina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny torohevitra nomen’ireo azy tokoa no narahin’i Ahazià, ka dia niainga niaraka tamin’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba sady mpanjakan’i Israely avaratra izy mba hiady amin’i Hazaela mpanjakan’i Siria, tao Ramôta-Gilehada. Tamin’izay ny Sirianina dia nandratra an’i Jôrama;
Malagasy Bible 1865
Ary ny saina nomen'ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izy hiady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, teo Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny saina nomen’ireo azy no narahiny ka niara-nandeha tamin’i Jorama, zanak’i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, izy, hiady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama, tao Ramota-Gileada; ary nahavoa an’i Jorama ny Arameana.
malagasy