2 Chronicles 22:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niverina tao Jezirela izy nitondra ny feriny hotsaboina tamin’ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama. Ary nidina hamangy an’i Jorama, zanak’i Ahaba, tao Jezirela i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda satria narary izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niverina tao Jezrahela i Jôrama hotsaboina amin’ny ratra nahavoazan’ny Sirianina azy tao Ramà, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Ary i Azariasa zanak’i Jôrama mpanjakan’i Jodà, nidina tany Jezrahela hamangy an’i Jôrama zanak’i Akaba fa narary izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary niverina tao Jizrehela izy mba hotsaboina tamin’ny ratra nahavoa azy tany Ramôta, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Dia nankany Jizrehela i Ahazià, zanakalahin’i Jôrama sady mpanjakan’i Joda, mba hamangy an’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba noho izy narary.
Malagasy Bible 1865
Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin'ny feriny tamin'ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Azaria, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina mba hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niverina tao Jezirela izy nitondra ny feriny hotsaboina tamin’ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin’i Hazaela, mpanjakan’i Arama. Ary nidina hamangy an’i Jorama, zanak’i Ahaba, tao Jezirela i Ahazia, zanak’i Jehorama, mpanjakan’ny Joda satria narary izy.
malagasy
Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin'ny feriny tamin'ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Azaria, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina mba hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy. [Na: Ahazia; izahao and. 1]