2 Chronicles 22:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy tamin’Andriamanitra ny loza nanjo an’i Ahazia tamin’ny nankanesany nankany amin’i Jorama. Nony tonga izy dia niara-niainga tamin’i Jorama mba hitsena an’i Jeho, zanak’i Nimsy, izay nohosoran’NY TOMPO handringana ny taranak’i Ahaba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy amin’Andriamanitra no nahitan’i Okoziasa loza, tamin’izy nankany amin’i Jôrama. Fa nony tonga izy dia niara-nivoaka tamin’i Jôrama ho any amin’i Jehò zanak’i Namsì, izay efa nohosoran’i Iaveh handringana ny taranak’i Akaba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy tamin’Andriamanitra ny loza nanjo an’i Ahazià tamin’ny nankanesany hamangy an’i Jôrama; nony tonga manko izy, dia niara-niainga tamin’i Jôrama mba hitsena an’i Jehò, zanakalahin’i Nimsỳ sady nohosoran’ny TOMPO ho mpanjaka mba handringana ny taranak’i Ahaba.
Malagasy Bible 1865
Ary avy tamin'Andriamanitra ny loza nanjo an'i Ahazia tamin'ny nankanesany tany amin'i Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin'i Jorama mba hitsena an'i Jeho, zanak'i Nimsy, izay nohosoran'i Jehovah handringana ny taranak'i Ahaba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy tamin’Andriamanitra ny loza nanjo an’i Ahazia tamin’ny nankanesany nankany amin’i Jorama. Nony tonga izy dia niara-niainga tamin’i Jorama mba hitsena an’i Jeho, zanak’i Nimsy, izay nohosoran’NY TOMPO handringana ny taranak’i Ahaba.
malagasy