2 Chronicles 22:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitady an’i Ahazia koa izy; kanefa nisy nahita izy, raha mbola niery tany Samaria ka noentina ho any amin’i Jeho; novonoin’ny olona izy ka naleviny; fa hoy ireo: Zanak’i Josafata, ilay nitady NY TOMPO tamin’ny fony manontolo, ity. Tsy nahatana ny fanjakana ny terak’i Ahazia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notadiaviny i Okoziasa ary nisy nisambotra azy tany Samaria izay niereny, dia nitondra azy ho eo amin’i Jehò, ka novonoina izy. Raha efa izany dia nalevina izy, fa hoy izy ireo: «Zanak’i Jôsafata izay nitady an’i Iaveh tamin’ny fony rehetra izy.» Dia tsy nisy olona azo nampanjakaina intsony, tamin’ny terak’i Okoziasa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampitady an’i Ahazià izy ka tany Samaria niereny no nisy nahita azy; dia nentina ho any amin’i Jehò izy ary novonoina ho faty. Nalevina ihany anefa izy, satria hoy ny olona hoe: «Taranak’i Jôsafata, ilay nitady ny TOMPO tamin’ny fony manontolo, ity.» Tamin’izay dia tsy mbola nisy afaka nitana fanjakana ny terak’i Ahazià.
Malagasy Bible 1865
Ary nitady an'i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin'i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak'i Josafata, ilay nitady an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra, ity. Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak'i Ahazia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitady an’i Ahazia koa izy; kanefa nisy nahita izy, raha mbola niery tany Samaria ka noentina ho any amin’i Jeho; novonoin’ny olona izy ka naleviny; fa hoy ireo: Zanak’i Josafata, ilay nitady NY TOMPO tamin’ny fony manontolo, ity. Tsy nahatana ny fanjakana ny terak’i Ahazia.
malagasy
Ary nitady an'i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin'i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak'i Josafata, ilay nitady an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra, ity. [Ny nanjakan'i Atalia, sy ny namonoana azy, ary ny nampanjakana an'i Joasy handimby azy] Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak'i Ahazia.