2 Chronicles 23:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahafito dia nandray fanapahan-kevitra i Joiada ka nanao fanekena tamin’ny mpifehy zato, dia i Azaria, zanak’i Jerohama, Ismaela, zanak’i Johanana, i Azaria, zanak’i Obeda, i Mahaseia, zanak’i Adaia ary i Elisafata, zanak’i Zikry.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona fahafito, rehefa nihanahery i Jôiadà dia nalainy ho mpikambana aminy ny tompon-jato Azariasa zanak’i Jerôhama, i Ismaela zanak’i Johanàna, i Azariasa zanak’i Obeda, i Maasiasa zanak’i Adaiasa, ary i Elisafata zanak’i Zekri.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona fahafito dia nanapa-kevitra hentitra i Jôiadà ka nanao fifanekena tamin’ireo mpifehy andia-miaramila: dia i Hazarià zanakalahin’i Jerôhama, i Jismahela zanakalahin’i Jôhanàna, i Hazarià zanakalahin’i Hôbeda, i Mahaseià zanakalahin’i Hadaià, ary i Elisafata zanakalahin’i Zikrỳ.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny taona fahafito Joiada nitombo hery ka nanao fanekena tamin'ny mpifehy zato, dia Azaria, zanak'i Jerohama, sy Isimaela, zanak'i Johanana, sy Azaria, zanak'i Obeda, sy Mahaseia, zanak'i Adaia, ary Elisafata, zanak'1 Zikry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahafito dia nandray fanapahan-kevitra i Joiada ka nanao fanekena tamin’ny mpifehy zato, dia i Azaria, zanak’i Jerohama, Ismaela, zanak’i Johanana, i Azaria, zanak’i Obeda, i Mahaseia, zanak’i Adaia ary i Elisafata, zanak’i Zikry.
malagasy