2 Chronicles 23:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nalahany ny vahoaka rehetra, samy nitana ny fiadiany avy mba hanodidina ny mpanjaka hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, hatramin’ny alitara ka hatramin’ny trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny vahoaka rehetra, samy nitam-piadiana, nalahany hanodidina ny mpanjaka avokoa, hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, teo akaikin’ny ôtely ka teo akaikin’ny trano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo miaramila rehetra samy nitam-piadiana ireo dia nalahatr’i Jôiadà hanodidina ny mpanjaka manomboka eo amin’ny lafiny havanan’ny tempoly ka hatramin’ny lafiny havia, dia teo anoloan’ny alitara fisoronana sy ny vatan-trano, ary efa vonona hanodidina ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavavan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nalahany ny vahoaka rehetra, samy nitana ny fiadiany avy mba hanodidina ny mpanjaka hatramin’ny lafiny ankavanan’ny trano ka hatramin’ny lafiny ankavia, hatramin’ny alitara ka hatramin’ny trano.
malagasy
Ary ny vahoaka rehetra dia nalahany, samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin'ny lafiny ankavavan'ny trano ka hatramin'ny lafiny ankavia, hatramin'ny alitara ka hatramin'ny trano.