2 Chronicles 23:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noentiny nivoaka ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nosatrohany ny satroboninahitra, sady notolorany ny Vavolombelona, dia nampanjakainy. Ary nanosotra azy i Joiada sy ny zanany ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nentiny nandroso ny zanaky ny mpanjaka, ka natao teo amboniny ny satrok’andriana sy ny vavolombelona, ary natsangana ho mpanjaka. Nohosoran’i Jôiadà sy ireo zanany izy dia nataony hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay dia navoaka i Jôasy zanakalahin’i Ahazià, ka nampisatrohina ny satroboninahitra maha-mpanjaka sady notolorana ny rakitsoratra momba ny zo aman’andraikitry ny mpanjaka. Ary nanosotra menaka hanokanana azy i Jôiadà sy ireo zanany lahy ka niantso hoe: «Ho ela velona anie ny mpanjaka!»
Malagasy Bible 1865
Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noentiny nivoaka ny zanakalahin’ny mpanjaka ka nosatrohany ny satroboninahitra, sady notolorany ny Vavolombelona, dia nampanjakainy. Ary nanosotra azy i Joiada sy ny zanany ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
malagasy
Dia nentiny nivoaka ny zanakalahin'ny mpanjaka ka nampisatrohiny ny satro-boninahitra, sady notolorany ny teni-vavolombelona, ka dia nampanjakainy. Ary Joiada sy ny zanany nanosotra azy ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! [Dia ny Didy Folo]