2 Chronicles 23:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hitany fa indro, nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana teo amin’ny fidirana ny mpanjaka, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra, ary ny mpihira no nitarika ny hira fiderana amin’ny zavamaneno isan-karazany. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nijery izy ka inty ny mpanjaka nitsangana teo amin’ny lampihazo eo amin’ny fidirana; ny lehibe amam-pitsòka trômpetra nanotrona ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra amin’ny tany revon-kafaliana; ny trômpetra notsofiny; ary ny mpihira an-java-maneno nanoro hevitra momba ny hira fiderana. Nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary indro hitany ny mpanjaka vaovao nitsangana tambonin’ny lampihazo teo amin’ny fidirana, ka ny mpihira sy ny mpitsoka trompetra no teo anilany; nifaly ny vahoaka rehetra, nampaneno trompetra ny mpitsoka mozika, ary nandredona hira fiderana ireo mpihira omban’ny zava-maneno isan-karazany. Fa i Hatalià kosa nandriatra ny fitafiany sady niantsoantso hoe: «Fikomiana! Fikomiana!»
Malagasy Bible 1865
Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana teo amin'ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan'ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin'ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hitany fa indro, nitsangana teo amin’ny fitoeran’andriana teo amin’ny fidirana ny mpanjaka, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra, ary ny mpihira no nitarika ny hira fiderana amin’ny zavamaneno isan-karazany. Dia nandriatra ny fitafiany i Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! Fikomiana!
malagasy