2 Chronicles 23:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nasain’i Joiada navoakan’ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, izy ka hoy izy tamin’ireo: Avoahy eny ivelan’ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ny sabatra. Fa ny mpisorona dia efa nandrara hoe: Aza vonoina eto amin’ny tranon’NY TOMPO izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nasain’i Jôiadà mpisorona nivoaka ny tompon-jato, mpifehy ny miaramila, ka nataony hoe: «Ento izy eo anelanelan’ny laharana hiala eto, ary vonoy amin’ny sabatra izay manaraka azy na iza na iza. Satria ny mpisorona efa nilaza hoe: Aza mamono azy ao an-tranon’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Joiadà moa efa nandrara ny hamonoana ho faty an’i Hatalià ao an-tranon’ny TOMPO, ka dia nasainy nanatona ireo mpifehy andia-miaramila sady mpiandraikitra ny mpiambina ary nilazany hoe: –Avoahy any ivelany any i Hatalià ka ampandalovy eo anelanelan’ny laharanareo; ary izay manaraka azy, dia vonoy ho faty amin’ny sabatra.
Malagasy Bible 1865
Fa nasain'i Joiada navoaky ny kapiteny! mpifehy ny miaramila, izy, ka hoy izy tamin'ireo: Avoahy eny ivelan'ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin'ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe: Aza vonoina eto an-tranon'i Jehovah izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nasain’i Joiada navoakan’ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, izy ka hoy izy tamin’ireo: Avoahy eny ivelan’ny filaharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ny sabatra. Fa ny mpisorona dia efa nandrara hoe: Aza vonoina eto amin’ny tranon’NY TOMPO izy.
malagasy