2 Chronicles 23:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny vahoaka rehetra dia niditra tao an-tranon’ny Baala ka nandrava azy; ny alitara sy ny sarin-javatra dia notorotoroiny avokoa ary novonoiny teo anoloan’ny alitara i Matana, mpisoron’ny Baala.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa niditra tao an-tranon’i Baala ny vahoaka rehetra, dia noravany io, notorotoroiny ny ôtely mbamin’ny sarin-javatra teo, ary novonoiny teo anoloan’ny ôtely i Matàna mpisoron’i Baala.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo dia niditra tao an-tempolin’i Bahala ny besinimaro ka nandrava azy: nomontsaniny tanteraka ireo alitara sy ireo sarivongan-tsampy; ary novonoiny ho faty teo anoloan’ny alitara i Matàna mpisoron’i Bahala.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vahoaka vehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny vahoaka rehetra dia niditra tao an-tranon’ny Baala* ka nandrava azy; ny alitara sy ny sarin-javatra dia notorotoroiny avokoa ary novonoiny teo anoloan’ny alitara i Matana, mpisoron’ny Baala.
malagasy
Ary ny vahoaka vehetra niditra tao an-tranon'i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron'i Bala, novonoiny teo anoloan'ny alitara.