2 Chronicles 23:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanendry olona hitandrina ny tranon’NY TOMPO i Joiada mba hofehezin’ny levita mpisorona, izay nozarazarain’i Davida ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, hanolotra ny fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, amin’ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’i Davida natao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nametrahan’i Jôiadà mpitandrina ny tranon’i Iaveh eo ambany fifehezan’ny mpisorona sy ny Levita, izay notokotokoin’i Davida tao an-tranon’i Iaveh, hanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, amim-pifaliana sy fihirana, araka ny nasain’i Davida hatao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay koa no voatendrin’i Jôiadà ny olona hitandrina ny tranon’ny TOMPO ka hofehezin’ireo levita mpisorona, izay efa notsinjarain’i Davida ho antokony mba hanolotra ny sorona dorana manontolo ao an-tranon’ny TOMPO araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; ka amin-kafaliana sady ombàn-kira no hanatontosany izany, araka ny fepetra nataon’i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon'i Jehovah hofehezin'ny Levita mpisorona izay nozarazarain'i Davida ho ao an-tranon'i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an'i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, amin'ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain'i Davida natao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanendry olona hitandrina ny tranon’NY TOMPO i Joiada mba hofehezin’ny levita* mpisorona, izay nozarazarain’i Davida ho ao amin’ny tranon’NY TOMPO, hanolotra ny fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, amin’ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain’i Davida natao.
malagasy
Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon'i Jehovah hofehezin'ny Levita mpisorona izay nozarazarain'i Davida ho ao an-tranon'i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an'i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, amin'ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain'i Davida natao.