2 Chronicles 23:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manankaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; dia noentiny nidina avy tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, koa ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka; dia nametraka ny mpanjaka teo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalainy ny tompon-jato, ny olo-manan-kaja, ny manam-pahefana amin’ny vahoaka, mbamin’ny vahoaka rehetra amin’ny tany, ka nentiny nidina avy ao an-tranon’i Iaveh ny mpanjaka; dia niditra tao an-tranon’ny mpanjaka izy ireo, nihazo ny vavahady ambony, ary nametraka ny mpanjaka teo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novorin’i Jôiadà ny mpifehy andia-miaramila sy ny loholona ary ny manampahefana mbamin’ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon’ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin’ny sezafiandrianana maha-mpanjaka azy i Jôasy,
Malagasy Bible 1865
Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manankaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; dia noentiny nidina avy tao amin’ny tranon’NY TOMPO ny mpanjaka, koa ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon’ny mpanjaka; dia nametraka ny mpanjaka teo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakana izy.
malagasy
Dia nalainy ny mpifehy zato sy ny olona manan-kaja sy ny mpanapaka ny olona ary ny vahoaka rehetra; ary dia nentiny nidina avy tao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nalehany hankao an-tranon'ny mpanjaka; ary nametraka ny mpanjaka teo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana izy.Dia nifaly ny vahoaka rehetra; ary nandry fahizay ny tanana, fa Atalia efa novonoiny tamin'ny sabatra.