2 Chronicles 23:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny levita dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; koa na iza na iza miditra ao an-trano dia vonoy, ary araho ny mpanjaka, na aiza na aiza alehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany voatsoaka avy, ka raha nisy miditra ao an-trano vonoy, ary na miditra na mivoaka ny mpanjaka dia hanotrona azy ianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo levita hafa kosa dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitam-piadiana avy, ary koa hanaraka azy amin’izay toerana halehany; fa na iza na iza miditra ao an-tempoly, dia vonoy ho faty.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny levita dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; koa na iza na iza miditra ao an-trano dia vonoy, ary araho ny mpanjaka, na aiza na aiza alehany.
malagasy
Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy.