2 Chronicles 23:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny levita sy ny Joda rehetra dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Joiada mpisorona ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ny Sabata sy izay niala tamin’ny Sabata; fa tsy nandrava ny antokony i Joiada mpisorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notanterahin’ny Levita sy i Jodà rehetra avokoa izay nandidian’i Jôiadà mpisorona. Samy naka ny olom-peheziny avy izy, na ireo miditra hanao ny fanompoana, amin’ny andro sabata, na ireo niala, fa tsy nasian’i Jôiadà avaka ny antokony rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka izay baiko rehetra nomen’i Jôiadà mpisorona no nataon’ny levita sy ny Jodeanina rehetra; ka ny tompon’andraikitra tsirairay dia samy nitondra ny olom-peheziny, dia izay nilatsaka na izay niala tamin’ny andro sabata, satria tsy nisy andiany navelan’i Jôiadà mpisorona hahazo lalana hody.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Levita sy ny Joda rehetra dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Joiada mpisorona azy, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin'ny Sabata sy izay niala tamin'ny Sabata izy; fa Joiada mpisorona tsy nandrava ny antokony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny levita sy ny Joda rehetra dia nanatanteraka izay rehetra nandidian’i Joiada mpisorona ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ny Sabata sy izay niala tamin’ny Sabata; fa tsy nandrava ny antokony i Joiada mpisorona.
malagasy