2 Chronicles 24:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fito taona i Joasy raha nanomboka nanjaka ary efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Zibia, avy any Bery-Sheba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa fito taona i Jôasy fony vao nanjaka, ary efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Sebià avy any Bersabea.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Feno fito taona i Jôasy fony tonga mpanjaka; ary naharitra efapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Tsibià, avy any Beera-Sebà.
Malagasy Bible 1865
Fito taona no niainan'i Joasy, fony izy vao nanjaka, efa efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fito taona i Joasy raha nanomboka nanjaka ary efapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Zibia, avy any Bery-Sheba.
malagasy
[Ny nanjakan'i Joasy, sy ny nanamboarana ny rafitry ny tempoly] Fito taona no niainan'i Joasy, fony izy vao nanjaka, efa efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Zibia, avy any Beri-sheba.