2 Chronicles 24:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andro nitondran’ny levita ny vata ho any amin’ny toniany izay voatendrin’ny mpanjaka, rehefa hitany fa be ny vola, dia avy ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny toniany izay voatendrin’ny Mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin’ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin’ny fitoerany indray. Toy izany hatrany no nataony ka nahavory vola betsaka izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’ny fotoana hanolorana ny vata amin’ny mpikarakara ny mpanjaka amin’ny alalan’ny Levita, dia amin’izay ahitan’ny Levita fa efa be ny vola, dia tonga ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny mpanao raharahan’ny mpisorona lehibe manesotra izay rehetra ao anatin’ny vata; alainy ny vata dia averiny ao amin’ny fitoerany indray. Nanao toy izany mandrakariva izy, ka nahavory vola betsaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy ny fotoana fitondran’ny levita ny vata ho any amin’ny mpanaramaso voatendrin’ny mpanjaka; ka rehefa hitan’io mpiandraikitra io fa be ny vola tao anaty vata, dia avy ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny tonia voatendrin’ny mpisorombe manaisotra izay vola rehetra ao, ary namerina indray ny vata eo amin’ny toerany. Toy izany no natao isan’andro isan’andro, ka vola betsaka no voavory.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izay andro nitondran'ny Levita ny vata ho any amin'ny toniany voatendrin'ny mpanjaka, raha hitany fa be ny vola, dia avy ny mpanoratry ny mpanjaka sy ny toniany voatendrin'ny mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin'ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin'ny fitoerany indray. Toy izany no nataony mandrakariva, ka nahavory vola betsaka izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andro nitondran’ny levita ny vata ho any amin’ny toniany izay voatendrin’ny mpanjaka, rehefa hitany fa be ny vola, dia avy ny mpitantsoratry ny mpanjaka sy ny toniany izay voatendrin’ny Mpisoronabe ka nanaisotra izay rehetra tao amin’ny vata, dia nitondra ny vata niverina ho eo amin’ny fitoerany indray. Toy izany hatrany no nataony ka nahavory vola betsaka izy.
malagasy