2 Chronicles 24:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony vitany izany dia noentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an’ny tranon’NY TOMPO, dia fanaka hoenti-manao fanompoam-pivavahana sy manolotra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanolotra fanatitra dorana manontolo tao amin’ny tranon’NY TOMPO mandrakariva izy tamin’ny andron’i Joiada rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony vita ny asa dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Jôiadà ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an’ny tranon’i Iaveh, dia fanaka hoenti-manao ny fanompoana sy ny sorona dorana, kôpy mbamin’ny fanaka volamena amana volafotsy sasany, ka tsy tapaka fanateran-tsorona dorana tao an-tranon’i Iaveh tamin’ny andro rehetra niainan’i Jôiadà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony vitan’ireto mpisahana azy izany asa izany, dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Jôiadà ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia fanaka hanatontosana fanompoam-pivavahana sy hanoloran- tsorona, tsatokaty ary fanaka hafa volamena sy volafotsy. Ary nandritra ny andro rehetra niainan’i Jôiadà dia nisy mandrakariva sorona dorana manontolo natolotra tao an-tranon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary nony vitany izany, dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka sy Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an'ny tranon'i Jehovah, dia fanaka ho enti-manao fanompoam-pivavahana sy manatitra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanatitra fanatitra dorana tao an-tranon'i Jehovah mandrakariva izy tamin'ny andron'i Joiada rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony vitany izany dia noentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Joiada ny vola sisa ka nanaovany fanaka ho an’ny tranon’NY TOMPO, dia fanaka hoenti-manao fanompoam-pivavahana sy manolotra fanatitra ary lovia kely sy fanaka volamena sy volafotsy. Ary nanolotra fanatitra dorana manontolo tao amin’ny tranon’NY TOMPO mandrakariva izy tamin’ny andron’i Joiada rehetra.
malagasy