2 Chronicles 24:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandao ny tranon’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny tsangakazon-tsampy ho an’ny Aseraha sy ny sampy, dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoan’ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia nandao ny tranon’i Iaveh Andriamanitry ny razany izy ireo, ary ny aserah mbamin’ny sampy no nomeny voninahitra. Tratry ny fahatezeran’i Iaveh anefa i Jodà sy i Jerosalema noho izany fivadihana izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
hany ka nilaozan’ireo Israelita ny tranon’ny TOMPO Andriamanitry ny razany mba hanompoany ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sy handalàny sampy hafa. Noho izany fahadisoana izany, dia niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO i Joda sy i Jerosalema.
Malagasy Bible 1865
Ary nandao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandao ny tranon’NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny tsangakazon-tsampy ho an’ny Aseraha* sy ny sampy, dia nisy fahatezerana nihatra tamin’ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoan’ireo.
malagasy
Ary nandao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany.