2 Chronicles 24:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra i Zakaria, zanak’i Joiada mpisorona ka nitsangana teo amin’ny avoavo teo anatrehan’ny vahoaka ary niteny tamin’ireo hoe: Izao no lazain’Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’NY TOMPO ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy NY TOMPO ianareo dia nahafoy anareo kosa Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Notsindrian’ny fanahin’Andriamanitra i Zakaria, zanak’i Jôiadà mpisorona, ka nankeo anatrehan’ny vahoaka nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’Andriamanitra: Ahoana no andikanareo ny didin’i Iaveh, tsy hahazoanareo fanambinana? Noho ianareo nahafoy an’i Iaveh, dia mba hafoiny koa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra kosa tamin’izay i Zakarià mpisorona zanakalahin’i Jôiadà, ka nitsangana teo amin’ny toerana avoavo manoloana ny vahoaka izy ary nanao taminy hoe: «Izao no lazain’Andriamanitra aminareo: ‹Nahoana no mandika ny didiko ianareo? Tsy ahitanareo fanambinana izany. Noho Izaho TOMPO efa nilaozanareo, dia mba handao anareo koa Aho!› »
Malagasy Bible 1865
Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra i Zakaria, zanak’i Joiada mpisorona ka nitsangana teo amin’ny avoavo teo anatrehan’ny vahoaka ary niteny tamin’ireo hoe: Izao no lazain’Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’NY TOMPO ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy NY TOMPO ianareo dia nahafoy anareo kosa Izy.
malagasy