2 Chronicles 24:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany no tsy nahatsiarovan’i Joasy mpanjaka ny soa nataon’i Joiada rainy taminy, satria namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty i Zakaria, dia niteny hoe: NY TOMPO anie hijery sy hamaly izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy tsaroan’i Jôasy ny fitiavana nataon’i Jôiadà rain’i Zakaria taminy, ka nampamono an’ity zanany izy. Hoy i Zakaria nony efa ho faty: «Hijery sy hamaly an’izao anie i Iaveh!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nohadinoin’i Jôasy mpanjaka tokoa ny soa nataon’i Jôiadà rain’i Zakarià, hany ka nampamono ho faty ity zanany lahy izy. Ary nony efa ho faty i Zakarià, dia niteny hoe: «Ny TOMPO anie hijery sy hamaly izao!»
Malagasy Bible 1865
Toy izany no tsy nahatsiarovan'i Joasy mpanjaka ny soa nataon'i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany no tsy nahatsiarovan’i Joasy mpanjaka ny soa nataon’i Joiada rainy taminy, satria namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty i Zakaria, dia niteny hoe: NY TOMPO anie hijery sy hamaly izao.
malagasy
Toy izany no tsy nahatsiarovan'i Joasy mpanjaka ny soa nataon'i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.