2 Chronicles 24:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony niherina ny taona dia avy ny miaramilan’i Arama hiady aminy; tonga tany Joda sy Jerosalema izy ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin’ny olona ary nalefany ho any amin’ny mpanjakan’i Damaskosy ny babony rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony niherina ny taona, niakatra hamely an’i Jôasy ny tafiky ny Sirianina ka dia tonga tany Jodà sy Jerosalema izy. Namono ny lehibe rehetra teo amin’ny vahoaka izy ireo, sy nampitondra ny babo azony rehetra ho any amin’ny mpanjakan’i Damasa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny lohataona manaraka izany, dia avy ny tafika sirianina hiady tamin’i Jôasy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema ireto fahavalo, ka matiny avokoa ny manampahefana teo amin’ny vahoaka ary nampitondrainy ho any amin’ny mpanjakan’i Damasy ny babo rehetra azo.
Malagasy Bible 1865
Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan'i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin'ny olona, ary nampitondrainy ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy ny babo rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony niherina ny taona dia avy ny miaramilan’i Arama hiady aminy; tonga tany Joda sy Jerosalema izy ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin’ny olona ary nalefany ho any amin’ny mpanjakan’i Damaskosy ny babony rehetra.
malagasy