2 Chronicles 24:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nony nilaozany tamin’ny faharariana mafy izy, dia nikomy taminy ny mpanompony noho ny ran’ny zanak’i Joiada mpisorona ka namono azy teo am-pandrianany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nilaozan’ireny, ka efa feno ratra maro izy, dia nanaovan’ny mpanompony teti-be hasiana, noho ny amin’ny ran’ny zanak’i Jôiadà mpisorona, ka novonoiny teo am-pandriany, dia maty. Nalevina tao an-tanànan’i Davida izy, nefa tsy natao tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fony lasa nody ny Sirianina, dia namela an’i Jôasy hianjadian’aretina mafy; fa noho izy nampamono ho faty ny zanakalahin’i Jôiadà mpisorona, dia niokoan’ireo mpanompony koa ity mpanjaka, hany ka novonoiny ho faty teo am-pandriany. Mba nalevina tao an- Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nilaozany tamin'ny faharariany mafy izy, ny mpanompony dia niodina taminy noho ny ran'ny zanak'i Joiada mpisorona, ka namono azy teo am-pandriany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan'i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin'ny fasan'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nony nilaozany tamin’ny faharariana mafy izy, dia nikomy taminy ny mpanompony noho ny ran’ny zanak’i Joiada mpisorona ka namono azy teo am-pandrianany, dia maty izy; ary naleviny tany an-Tanànan’i Davida ihany izy, nefa tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.
malagasy