2 Chronicles 24:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’ny zanany sy ny hamafin’ny faminaniana izay nilaza ny loza hanjo azy, ary ny nanamboarany ny tranon’Andriamanitra, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjaka izany. Ary i Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny amin’ny zanany, ny faminaniana maro namely azy, ny namboarany ny tranon’Andriamanitra, dia indro fa efa voasoratra ao amin’ny Fitadiavana momba ny bokin’ny Mpanjaka. I Amasiasa zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny amin’ireo zanakalahin’i Jôasy, ny teny faminaniana hentitra nilaza ny loza hanjo ity mpanjaka, ary ny fomba nanamboarany ny tranon’Andriamanitra dia samy voasoratra ao amin’ilay boky milohateny hoe Fivoasana ny Bokin’ny Mpanjaka. Ary i Amatsià zanakalahin’i Jôasy no nanjaka nandimby azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'ny zanany sy ny hamafin'ny faminaniana nilaza ny loza hanjo azy ary ny nanamboarany ny tranon'Andriamanitra, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjaka izany. Ary Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’ny zanany sy ny hamafin’ny faminaniana izay nilaza ny loza hanjo azy, ary ny nanamboarany ny tranon’Andriamanitra, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjaka izany. Ary i Amazia zanany no nanjaka nandimby azy.
malagasy