2 Chronicles 24:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namory ny mpisorona sy ny levita izy ka niteny tamin’ireo hoe: Mandehana ho any amin’ny tanànan’i Joda ka mamoria vola isan-taona amin’ny Israely rehetra hanamboarana ny tranon’Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa tsy nanafaingana izany ny levita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka namory ny mpisorona sy ny Levita izy dia nanao taminy hoe: «Mandehana ianareo any amin’ny tanànan’i Jodà, ka mamoria vola isan-taona amin’i Israely rehetra hamboarana ny tranon’Andriamanitrareo, ary ataovy faingana izany.» Nanao tsy rototra anefa ny Levita,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namory ny mpisorona mbamin’ny levita izy, ka nanao taminy hoe: «Mankanesa amin’ny tanànan’i Joda, ka mamoria vola amin’ny Israelita rehetra isan-taona mba hanamboarana ny tranon’ny Andriamanitrareo; ary aoka hohafainganinareo ny raharaha!» Kanjo navelan’ny levita hitarazoka izany.
Malagasy Bible 1865
Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin'ny tanànan'ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin'ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon'Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namory ny mpisorona sy ny levita* izy ka niteny tamin’ireo hoe: Mandehana ho any amin’ny tanànan’i Joda ka mamoria vola isan-taona amin’ny Israely rehetra hanamboarana ny tranon’Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa tsy nanafaingana izany ny levita.
malagasy
Dia namory ny mpisorona sy ny Levita izy ka nanao taminy hoe: Mandehana ho any amin'ny tanànan'ny Joda, ka mamoria vola isan-taona amin'ny Isiraely rehetra hanamboarana ny tranon'Andriamanitrareo; ary hafainganonareo ny raharaha. Nefa ny Levita tsy nanafaingana izany.