2 Chronicles 24:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nampaka an’i Joiada, lohany tamin’ireo, ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Nahoana ny levita no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ho ao amin’ny tabernakelin’ny vavolombelona, araka ny didin’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, sy ny fiangonan’ny Israely?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nantsoin’ny mpanjaka i Jôiadà mpisorona lehibe, nilazany hoe: «Ahoana no tsy nikarakaranao izay hitondran’ny Levita avy amin’i Jodà sy i Jerosalema ny hetra nasain’i Môizy mpanompon’i Iaveh sy ny fiangonana, haloan’i Israely ho an’ny trano lain’ny vavolombelona?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nampanantsoin’ny mpanjaka i Jôiadà mpisorombe ary nataony hoe: «Nahoana no tsy nohizingizininao ny hitondran’ny levita ny hetra avy tamin’ny mponin’i Joda sy Jerosalema, araka ny didin’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO fony izy namory ny vahoaka Israely? Hanasoavana ny Fonena-masina misy ny raki-tsoratry ny Fanekempihavanana io hetra io,
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka dia nampaka an'i Joiada, lohany tamin'ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah sy ny fiangonan'ny Isiraely ho ao amin'ny tabernakelin'ny vavolombelona?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nampaka an’i Joiada, lohany tamin’ireo, ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Nahoana ny levita no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ho ao amin’ny tabernakelin’ny vavolombelona, araka ny didin’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, sy ny fiangonan’ny Israely?
malagasy