2 Chronicles 24:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandefa teny nanerana ny Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an’NY TOMPO ny hetra izay nasain’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, haloan’ny Israely, fony izy tany an-tany efitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary naely eran’i Jodà sy i Jerosalema fa isan’olona dia tsy maintsy mitondra ho an’i Iaveh ny hetra nodidian’i Môizy mpanompon’i Iaveh haloan’i Israely, tany an’efitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nandefasan-teny eran’i Joda sy i Jerosalema mba haterina ho an’ny TOMPO ny hetra izay nasain’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra hoefain’ny Israelita fony izy tany an-taniefitra.
Malagasy Bible 1865
Ary nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an'i Jehovah ny hetra izay nasain'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, haloan'ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandefa teny nanerana ny Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an’NY TOMPO ny hetra izay nasain’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra, haloan’ny Israely, fony izy tany an-tany efitra.
malagasy
Ary nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an'i Jehovah ny hetra izay nasain'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, haloan'ny Isiraely, fony izy tany an-efitra.