2 Chronicles 25:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dimy amby roapolo taona i Amazia raha nanomboka nanjaka ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary 25 taona i Amasiasa, fony vao nanjaka, ary sivy taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jôadàna avy ao Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Feno 25 taona i Amatsià fony tonga mpanjaka; ary naharitra roapolo taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jôhadàna, izay avy ao Jerosalema ihany.
Malagasy Bible 1865
Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dimy amby roapolo taona i Amazia raha nanomboka nanjaka ary sivy amby roapolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran’ny reniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
malagasy
[Ny nanjakan'i Amazia] Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.