2 Chronicles 25:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia navahan’i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin’ny Efraima mba hody indray any amin’ny taniny; ary nirehitra mafy ny fahatezeran’ireo tamin’ny Joda, dia lasa nody izy ireo sady tezitra mafy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia navahan’i Amasiasa ny miaramila avy tany amin’i Efraima hankanesany any amin’ny taniny. Nirehitra mafy tamin’i Jodà anefa ny fahatezeran’ireo olona ireo, ka nandeha nody tany amin’ny taniny tamin-katezerana mirehitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary navahan’i Amatsià ny miaramila efraimita tonga teo aminy mba halefa hody indray; ka sady lasa nody ireo no nirehi-pahatezerana mafy dia mafy tokoa tamin’ny fanjakàn’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Dia navahan'i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin'ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran'ireo tamin'ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia navahan'i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin'ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran'ireo tamin'ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.