2 Chronicles 25:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nirehitra tamin’i Amazia ny fahatezeran’NY TOMPO ka naniraka mpaminany iray ho any aminy Izy hanontany azy hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny Jentilisa, izay tsy naharo akory ny olony tamin’ny tananao aza?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nirehitra tamin’i Amasiasa ny fahatezeran’i Iaveh, ka naniraka mpaminany tao aminy izy, nilaza taminy hoe: «Ahoana no dia ivavahanao amin’ny andriamanitr’io vahoaka io, nefa ny vahoakany aza tsy azony narovana tamin’ny tananao akory?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nirehi-pahatezerana tamin’i Amatsià ny TOMPO, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy hanontany azy hoe: –Nahoana ianao no mivavaka amin’ny andriamanitr’ireo hafa firenena, dia andriamanitra izay tsy naharo ny olony tamin’ny tananao akory aza?
Malagasy Bible 1865
Dia nirehitra tamin'Amazia ny fahatezeran'i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin'ny tananao aza?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nirehitra tamin’i Amazia ny fahatezeran’NY TOMPO ka naniraka mpaminany iray ho any aminy Izy hanontany azy hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny Jentilisa*, izay tsy naharo akory ny olony tamin’ny tananao aza?
malagasy
Dia nirehitra tamin'Amazia ny fahatezeran'i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin'ny tananao aza?