2 Chronicles 25:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Naka hevitra i Amazia, mpanjakan’ny Joda, koa nandefa iraka tany amin’i Joasy, zanak’i Joahaza, zanak’i Jeho, mpanjakan’ny Israely, hilaza hoe: Avia, aoka isika hifanandrina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Naka hevitra i Amasiasa mpanjakan’i Jodà, dia naniraka tany amin’i Jôasy zanak’i Jôakaza zanak’i Jehò, mpanjakan’i Israely, hilaza hoe: «Avia hifankahita mifanatrika isika.» Fa izao no teny nampitondrain’i Jôasy mpanjakan’i Israely an’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hevitra hafa no niandanian’i Amatsià mpanjakan’i Joda; ka tamin’izay izy dia nandefa iraka tamin’i Jôasy, zanakalahin’i Jôahaza sy zafin’i Jehò sady mpanjakan’i Israely mba hilaza aminy hoe: «Avia hifanandrina an’ady isika!»
Malagasy Bible 1865
Ary Amazia. mpanjakan'ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Naka hevitra i Amazia, mpanjakan’ny Joda, koa nandefa iraka tany amin’i Joasy, zanak’i Joahaza, zanak’i Jeho, mpanjakan’ny Israely, hilaza hoe: Avia, aoka isika hifanandrina.
malagasy
Ary Amazia. mpanjakan'ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.