2 Chronicles 25:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nandefa iraka tany amin’i Amazia, mpanjakan’ny Joda, i Joasy, mpanjakan’ny Israely, hilaza hoe: Ny tsilo izay tany Libanona dia nandefa iraka tamin’ny hazo sedera izay tany Libanona nilaza hoe: Omeo ny zanako lahy ny zanakao vavy ho vadiny. Nefa dia nisy bibidia tany Libanona nandalo teo ka nanosihosy ny tsilo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny tsilo any Libàna, naniraka hilaza amin’ny sedera any Libàna hoe: Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy. Dia namaky teo ny biby dia any Libàna, ka nanosihosy ny tsilo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa i Jôasy mpanjakan’i Israely dia nandefa iraka tany amin’i Amatsià mpanjakan’i Joda hamaly azy hoe: «Ny kirihitra tsilo izay tany Libano, hono, dia nandefa iraka tany amin’ny sedera izay tany Libano mba hiangavy azy hoe: ‹Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy.› Kanjo nisy bibidian’i Libano namaky teo ka nanosihosy ny kirihitra tsilo.
Malagasy Bible 1865
Fa Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nandefa iraka tany amin’i Amazia, mpanjakan’ny Joda, i Joasy, mpanjakan’ny Israely, hilaza hoe: Ny tsilo izay tany Libanona dia nandefa iraka tamin’ny hazo sedera izay tany Libanona nilaza hoe: Omeo ny zanako lahy ny zanakao vavy ho vadiny. Nefa dia nisy bibidia tany Libanona nandalo teo ka nanosihosy ny tsilo.
malagasy