2 Chronicles 25:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lazainao fa namely an’i Edoma ianao ka nirehareha ny fonao; mitoera ihany ao an-tranonao, fa nahoana no hihantsy ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’i Joda koa ianao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa nahavoa ny Edômita ianao, hoy ny hevitrao, ka taomin’ny fonao hirehareha ianao. Koa ankehitriny mipetraha tsara ao an-tranonao. Nahoana no dia mihaika loza hahalavo ny tenanao mbamin’i Jodà koa ity ianao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lazainao, ry Amatsià, fa nandresy ny Edômita ianao, ka dia nasesiky ny fonao hirehareha; mitoera ihany re ao an-tranonao, fa nahoana ianao no hanomboka ady handoza anao sady hahalavo ny tenanao mbamin’ny tafik’i Joda?»
Malagasy Bible 1865
Lazainao fa namely an'i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lazainao fa namely an’i Edoma ianao ka nirehareha ny fonao; mitoera ihany ao an-tranonao, fa nahoana no hihantsy ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’i Joda koa ianao?
malagasy
Lazainao fa namely an'i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao?