2 Chronicles 25:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Amazia, mpanjakan’ny Joda, zanak’i Joasy, zanak’i Joahaza, dia nosamborin’i Joasy, mpanjakan’ny Israely, tany Bety-Semesy ka noentiny nankany Jerosalema; nandravan’i Joasy efajato hakiho ny mandan’i Jerosalema hatreo amin’ny vavahadin’i Efraima ka hatrany amin’ny vavahady eo an-jorony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Amasiasa, mpanjakan’i Jodà zanak’i Jôasy, zanak’i Jôakaza, dia nosamborin’i Jôasy mpanjakan’i Israely tany Betsamesa, nentiny nankany Jerosalema dia nandravany zato hakiho ny mandan’i Jerosalema, hatramin’ny vavahadin’i Efraima ka hatramin’ny vavahady an-jorony;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tao Bety-Semesy no voasambotr’i Jôasy mpanjakan’i Israely i Amatsià, zanakalahin’i Jôasy sy zafin’i Ahazià sady mpanjakan’i Joda, ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan’i Jôasy roanjato metatra ny mandan’i Jerosalema hatreo amin’ny vavahadin’i Efraîma ka hatrany amin’ny vavahady anjorony.
Malagasy Bible 1865
Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'Joasy, zanak'i Joahaza, dia nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan'i Joasy efa-jato hakiho ny mandan'i Jerosalema hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady anjorony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Amazia, mpanjakan’ny Joda, zanak’i Joasy, zanak’i Joahaza, dia nosamborin’i Joasy, mpanjakan’ny Israely, tany Bety-Semesy ka noentiny nankany Jerosalema; nandravan’i Joasy efajato hakiho* ny mandan’i Jerosalema hatreo amin’ny vavahadin’i Efraima ka hatrany amin’ny vavahady eo an-jorony.
malagasy
Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'Joasy, zanak'i Joahaza, dia nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan'i Joasy efa-jato hakiho ny mandan'i Jerosalema hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady anjorony.