2 Chronicles 25:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatramin’ny andro nihemoran’i Amazia tsy nanaraka NY TOMPO dia nikomy taminy ny olona tany Jerosalema ka nandositra nankany Lakisy izy; nefa nandefa iraka hanaraka azy tany ny olona ka namono azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorian’ny nihatahan’i Amasiasa tamin’i Iaveh dia nisy firaisan-tetika hamely azy niforona tao Jerosalema, ka nandositra nankany Lakisa izy, fa nisy olona nirahina hanenjika azy tany Lakisa, ka novonoiny tany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanomboka tamin’ny andro nihatahan’i Amatsià tsy hanaraka ny TOMPO, dia nisy olona nikomy tamin’ity mpanjaka tao Jerosalema, ka nahatonga azy nandositra tany Lakisy; fa nampanaraka azy ireto mpikomy ka nampamono azy ho faty tany an-toerana.
Malagasy Bible 1865
Ary hatramin'ny andro nihemoran'i Amazia tsy nanaraka an'i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatramin’ny andro nihemoran’i Amazia tsy nanaraka NY TOMPO dia nikomy taminy ny olona tany Jerosalema ka nandositra nankany Lakisy izy; nefa nandefa iraka hanaraka azy tany ny olona ka namono azy.
malagasy
Ary hatramin'ny andro nihemoran'i Amazia tsy nanaraka an'i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin'ny razany tao an-tanànan'ny Joda.