2 Chronicles 25:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa ny zanak’ireo namono dia tsy mba novonoiny fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna, ao amin’ny bokin’i Mosesy, izay nandidian’NY TOMPO hoe: Ny ray dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny rainy, fa samy ho faty amin’ny fahotany avy ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nefa ny zanak’izy ireo tsy mba novonoiny, fa araka ilay voasoratra ao amin’ny lalàna, amin’ny bokin’i Môizy izay nandidian’i Iaveh hoe: «Ny ray tsy ho faty ho solon-janany, ny zanaka tsy ho faty ho solon-drainy, fa isan’olona samy ho fatin’ny fahotana nataony avy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa ny zanakalahin’ireo mpamono an’i Jôasy dia tsy mba novonoin’i Amatsià ho faty, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny Lalàna, dia ny bokin’i Mosesy; ao manko no nandidian’ny TOMPO hoe: «Ny ray aman-dreny tsy hatao maty amin’ny ataon-janany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ny ataon-dray aman-dreniny; fa samy ho faty amin’ny fahotany avy ny olona.»
Malagasy Bible 1865
Nefa ny zanak'ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàna. dia ao amin'ny bokin'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy, fa samy ho faty amin'ny fahotany avy ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa ny zanak’ireo namono dia tsy mba novonoiny fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàna, ao amin’ny bokin’i Mosesy, izay nandidian’NY TOMPO hoe: Ny ray dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka dia tsy hovonoina amin’ny ataon’ny rainy, fa samy ho faty amin’ny fahotany avy ny olona.
malagasy