2 Chronicles 25:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia novorin’i Amazia ny Joda ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin’i Joda sy i Benjamina rehetra: Dia nisainy ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Novorin’i Amasiasa ny lehilahy amin’i Jodà dia samy nalaminy ara-pokom-pianakaviana avokoa, ny tomponarivo aman-tompon-jato amin’i Jodà sy i Benjamina rehetra, ary nisainy ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, ka 300.000 no lehilahy voafantina hitany, samy azo alefa hiady sy mahatan-defona aman’ampinga.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novorîn’i Amatsià ny vatan-dehilahy tao amin’ny fanjakany, na Jodeanina na Benjaminita, ka nanendreny mpifehy andia-miaramila sy vondro-miaramila, araka ny tarika nisy azy. Natao fanisana ny vatan-dehilahy feno roapolo taona no ho miakatra ka lehilahy voafantina nisy antokony telonjato no hita fa azo nalefa hiantafika sady kinga fampiasa lefona sy ampinga.
Malagasy Bible 1865
Ary novorin'i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia novorin’i Amazia ny Joda ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin’i Joda sy i Benjamina rehetra: Dia nisainy ny hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
malagasy