2 Chronicles 25:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy i Amazia tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra: Koa hataontsika ahoana ny amin’ny talenta zato nomeko ny miaramilan’ny Israely? Ary hoy ilay lehilahin’Andriamanitra taminy: Mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Amasiasa tamin’ilay olon’Andriamanitra: «Ka hatao ahoana ity talenta zato nomeko ny miaramilan’i Israely?» Ary namaly ny olon’Andriamanitra nanao hoe: «Mahay manome anao be lavitra noho izay i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa i Amatsià tamin’ilay olon’Andriamanitra: –Ka hatao ahoana ny amin’ny volafotsy telo taonina izay nomeko ny miaramila israelita? Dia novaliany hoe: –Ny TOMPO dia mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Amazia tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin'ny talenta zato nomeko ny miaramilan'ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin'Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy i Amazia tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra: Koa hataontsika ahoana ny amin’ny talenta zato nomeko ny miaramilan’ny Israely? Ary hoy ilay lehilahin’Andriamanitra taminy: Mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany NY TOMPO.
malagasy