2 Chronicles 26:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny vahoakan’ny Joda rehetra dia naka an’i Ozia, izay enina amby folo taona, ka nampanjaka azy handimby an’i Amazia rainy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Oziasa izay efa 16 taona, no nalain’ny vahoaka rehetra amin’i Jodà, ka nampanjakainy handimby an’i Amasiasa rainy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao 16 taona i Hozià no nalain’ny vahoaka jodeanina rehetra ka notendreny ho mpanjaka handimby an’i Amatsià rainy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Ozia, izay enina ambin'ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny vahoakan’ny Joda rehetra dia naka an’i Ozia, izay enina amby folo taona, ka nampanjaka azy handimby an’i Amazia rainy.
malagasy
[Ny nanjakan'i Ozia] Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Ozia, izay enina ambin'ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy.