2 Chronicles 26:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanorina tilikambo tany an-tany efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, fa nanana omby aman’ondry betsaka tany Sefela sy teny an-tanety izy sady nanana mpiasa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra ary tany Karmela, fa tia asa tany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao tilikambo tany an’efitra koa izy; ary nihady lavaka famorian-drano betsaka, fa nanana biby fiompiny maro tany, sy tany amin’ny Sefelà mbamin’iny tany lemaka avo, ary nanana mpiasa amam-pamboly voaloboka koa tany an-tendrombohitra sy tany Karmela, fa tia asa tany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman’ondry betsaka izy teny amin’ny faritr’i Sefelà sy teny amin’ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman'ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanorina tilikambo tany an-tany efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, fa nanana omby aman’ondry betsaka tany Sefela sy teny an-tanety izy sady nanana mpiasa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra ary tany Karmela, fa tia asa tany izy.
malagasy