2 Chronicles 26:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanana miaramila maro, izay nanao antokony vonona hanafika i Ozia, dia araka ny isany izay nandaminan’i Jeiela mpitantsoratra sy i Mahaseia mpifehy azy ka nofehezin’i Hanania, iray tamin’ny mpitarika voatendrin’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nana-miaramila mpanafika i Oziasa, izay nandeha nanafika isan-tokony, mandry an’isany araka ny fanisana nataon’i Jehiela mpanoratra, sy i Maasiasa mpitandrin-draharaha, tambany fifehezan’i Hananiasa, anankiray amin’ny komandin’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanana tafika i Hozià, dia tafika afa-mifanandrina amin’ny fahavalo sy vonona hiatrika ady; notsinjaraina ho vondro-miaramila izany, araka ny vokatry ny fanisana notontosain’i Jehiela mpitantsoratra sy i Mahaseià mpitantan-draharaha, sady napetraka ho eo ambany fifehezan’i Hananià izay anankiray tamin’ireo komandy voatendrin’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary Ozia nanana miaramila maro, izay nanao antokony handeha hanafika, dia araka ny isany izay nandaminan'i Jeiela mpanoratra sy Mahaseia mpifehy azy, ka nofehezin'i Hanania, anankiray tamin'ny komandy voatendrin'ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanana miaramila maro, izay nanao antokony vonona hanafika i Ozia, dia araka ny isany izay nandaminan’i Jeiela mpitantsoratra sy i Mahaseia mpifehy azy ka nofehezin’i Hanania, iray tamin’ny mpitarika voatendrin’ny mpanjaka.
malagasy