2 Chronicles 26:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Ozia dia nanamboatra ampinga, lefona, fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, tsipìka ary vaton’antsamotady ho an’ireo miaramila rehetra ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izany miaramila rehetra izany, dia samy nahavononan’i Oziasa ampinga, lefona, satroka fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, ary antsamotady fandefasam-bato.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isaky ny hiantafika ireo, dia efa nanomanan’i Hozià ampinga sy lefona, satro-by fiarovan-doha sy akanjo vy fiarovan-tratra, ary tsipîka sy vaton’antsamotady.
Malagasy Bible 1865
Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton'antsamotady ho an'ireo miaramila rehetra ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Ozia dia nanamboatra ampinga, lefona, fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, tsipìka ary vaton’antsamotady ho an’ireo miaramila rehetra ireo.
malagasy
Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton'antsamotady ho an'ireo miaramila rehetra ireo.