2 Chronicles 26:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Namorona milina fiadiana lehibe tany Jerosalema koa izy, natao araka ny marika vitan’ny manam-pahaizana manokana izany, ary natao hapetraka eo amin’ny tilikambo sy eo an-tampon’ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan’i Ozia; fa nahagaga tokoa ny nanampian’Andriamanitra azy ka tonga mahery izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampanao milina tao Jerosalema koa izy, noforonin’ny tompo-marika anankiray, hapetraka any amin’ny tilikambo sy ny zoro-manda, handefasana zana-tsipìka amam-bato lehibe. Lasa lavitra ny lazany, fa nampiana fatratra izy, ka tonga nahery tokoa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanamboatra milina tao Jerosalema izy izay noforonina manokana mba hapetraka teny amin’ny tilikambo sy teny amin’ny zoron’ny manda ary mba handefasana zana-tsipîka na vato lehibe. Nahagaga ny nanampian’Andriamanitra an’i Hozià, ka tonga nahery tokoa izy sady niely lavitra ny lazany.
Malagasy Bible 1865
Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan'ny mahay zavatra, hapetraka eo amin'ny tilikambo sy eo an-tampon'ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan'i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Namorona milina fiadiana lehibe tany Jerosalema koa izy, natao araka ny marika vitan’ny manam-pahaizana manokana izany, ary natao hapetraka eo amin’ny tilikambo sy eo an-tampon’ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan’i Ozia; fa nahagaga tokoa ny nanampian’Andriamanitra azy ka tonga mahery izy.
malagasy