2 Chronicles 26:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanohitra an’i Ozia mpanjaka ireo ka niteny taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an’NY TOMPO, fa an’ny mpisorona ihany, dia ny taranak’i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin’ny fitoerana masina fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nanohitra an’i Oziasa mpanjaka, nanao hoe: «Tsy anjaranao, ry Oziasa, ny manolotra zava-manitra ho an’i Iaveh, fa anjaran’ny mpisorona taranak’i Aarôna izay voahosotra handoro zava-manitra. Mialà eo amin’ny fitoerana masina fa nanota ianao ka tsy voninahitra ho anao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitra izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nijoro teo anoloan’ny Hozià mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: –Tsy anjara raharahanao, ry Hozià, ny handoro vovo-javamanitra ho an’ny TOMPO; fa anjaran’ny mpisorona taranak’i Aharôna izay natokana hanao izany. Mialà amin’ny Toeramasina ianao, satria manimbazimba an’Andriamanitra; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitra izany.
Malagasy Bible 1865
Ary nanohitra an'i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah, fa an'ny mpisorona ihany, dia ny taranak'i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin'ny fitoerana masina, fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitra izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanohitra an’i Ozia mpanjaka ireo ka niteny taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an’NY TOMPO, fa an’ny mpisorona ihany, dia ny taranak’i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin’ny fitoerana masina fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’NY TOMPO Andriamanitra izany.
malagasy