2 Chronicles 26:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisafoaka i Ozia, ary nisy lovia handoroany ditin-kazo manitra teny an-tanany; koa raha mbola nisafoaka tamin’ny mpisorona izy dia nisy habokana nipoitra tamin’ny handriny teo anatrehan’ny mpisorona tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anilan’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Oziasa amin’izany, nitana fanembohana teny an-tanany mba hanolotra zava-manitra, ka nisafoaky ny hatezerana; ka nony nitezitra ny mpisorona teo izy, dia indro teo amin’ny handriny nisy habokana mipoitra, teo anatrehan’ny mpisorona, tao an-tranon’i Iaveh, teo anoloan’ny ôtely fandoroan-java-manitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola teny an-tanan’i Hozià ny fitaovana fandoroana vovo-javamanitra no nisafoaka tamin’ireo mpisorona izy. Tamin’izay indrindra dia nisy aretin-koditra nipoitra teo amin’ny handriny raha izy mbola tao an-tranon’ny TOMPO iny, teo anatrehan’ny mpisorona sady teo anilan’ny alitara fandoroana vovo-javamanitra.
Malagasy Bible 1865
Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin'ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin'ny handriny teo anatrehan'ny mpisorona tao an-tranon'i Jehovah, tanilan'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisafoaka i Ozia, ary nisy lovia handoroany ditin-kazo manitra teny an-tanany; koa raha mbola nisafoaka tamin’ny mpisorona izy dia nisy habokana nipoitra tamin’ny handriny teo anatrehan’ny mpisorona tao amin’ny tranon’NY TOMPO, teo anilan’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
malagasy