2 Chronicles 26:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitodika nijery azy i Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra, koa indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo haingana izy; nefa ny tenany koa dia mba niala teo haingana ihany, satria NY TOMPO no namely azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nijery nankany aminy i Azariasa mpisorona lehibe sy ireto mpisorona rehetra, dia indro fa voan’ny habokana ny handriny. Noroahiny ho any ivelany faingana izy, ary izy koa mba nivoaka faingana fa efa nasian’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Hazarià mpisorombe sy ireo mpisorona hafa rehetra dia nanatrika nijery azy ka nahita ny aretin-koditra teo amin’ny handriny. Dia noroahiny hiala ny Toeramasina izy; sady ny tenany koa mba nivoaka ny tempoly faingana ihany, satria tsapany efa namely azy ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitodika nijery azy i Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra, koa indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo haingana izy; nefa ny tenany koa dia mba niala teo haingana ihany, satria NY TOMPO no namely azy.
malagasy