2 Chronicles 26:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Ozia mpanjaka dia boka mandra-pahafatiny ka nitoetra teo amin’ny trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony izy. Dia i Jotama zanany no nanapaka ny tao an-dapa sady nitondra ny vahoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia boka hatramin’ny andro nahafatesany i Oziasa mpanjaka, ka nitoetra an-trano manirery, amin’ny mahaboka azy, fa nesorina tao an-tranon’i Iaveh. I Joatama zanany no nanapaka tao an-tranon’ny mpanjaka sy nitsara ny vahoaka tamin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nianjadian’izany aretin-koditra izany i Hozià mpanjaka ambara-pahafatiny; ary nitoetra mitokana tao amin’ny trano anankiray izy, sady tsy nahazo niditra tao an- tranon’ny TOMPO intsony. Ka dia i Jôtama zanany lahy, efa mpifehy ny tao an-dapan’ny mpanjaka, no nitondra ny tany sy ny fanjakana.
Malagasy Bible 1865
Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon'i Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no nanapaka tao an-dapa sady nitsara ny vahoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Ozia mpanjaka dia boka mandra-pahafatiny ka nitoetra teo amin’ny trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony izy. Dia i Jotama zanany no nanapaka ny tao an-dapa sady nitondra ny vahoaka.
malagasy