2 Chronicles 26:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nandeha niady tamin’ny Filistina izy dia nandrava ny mandan’i Gata sy ny mandan’i Jabne ary ny mandan’i Asdoda ary avy eo dia nanangana tanàna tany Asdoda sy tany amin’ny Filistina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandeha niady tamin’i Filistinina izy, nazerany avokoa ny mandan’i Geta sy ny mandan’i Jabnià ary ny mandan’i Azota, dia nanao tanàna tany amin’ny faritanin’i Azota sy ny tany amin’ny Filistinina izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandeha niady tamin’ny Filistinina i Hozià, ka nandrava ny mandan’i Gata sy ny an’i Jabne ary ny an’i Asdôda; avy eo izy dia nanamafy tanàna jodeanina takaikin’i Asdôda sy takaikin’ny Filistinina.
Malagasy Bible 1865
Ary nivoaka izy ka niady tamin'ny Filistina, dia nandrava ny mandan'i Gata sy ny an'i Jabne sy ny an'i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin'ny Filistina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nandeha niady tamin’ny Filistina izy dia nandrava ny mandan’i Gata sy ny mandan’i Jabne ary ny mandan’i Asdoda ary avy eo dia nanangana tanàna tany Asdoda sy tany amin’ny Filistina.
malagasy
Ary nivoaka izy ka niady tamin'ny Filistina, dia nandrava ny mandan'i Gata sy ny an'i Jabne sy ny an'i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin'ny Filistina.