2 Chronicles 27:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niady tamin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’izany taona izany ny taranak’i Amona dia nanome azy talenta volafotsy zato ary karazam-barimbazaha samihafa, iray alina kora avy; izany no naloan’ny taranak’i Amona ho azy tamin’ny taona faharoa sy fahatelo koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niady tamin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amôna izy, dia naharesy azy, ka izao no nomen’ny taranak’i Amôna ho azy tamin’izany taona izany: talenta volafotsy zato, varimbazaha 10.000 kora, ary orja 10.000 kora; torak’izany koa no naterin’ny taranak’i Amôna ho azy, tamin’ny taona faharoa sy fahatelo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niadian’i Jôtama ny mpanjakan’ny Hamônita ka resiny. Tamin’io taona io no nanomezan’ny Hamônita azy volafotsy telo taonina sy varimbazaha telo taonina ary vary ôrza telo taonina; dia mbola izany ihany koa no naloan’izy ireo tamin’ny taona roa manaraka.
Malagasy Bible 1865
Ary niady tamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin'izany taona izany ny taranak'i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan'ny taranak'i Amona ho azy tamin'ny-taona faharoa sy fahatelo koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niady tamin’ny mpanjakan’ny taranak’i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin’izany taona izany ny taranak’i Amona dia nanome azy talenta* volafotsy zato ary karazam-barimbazaha samihafa, iray alina kora* avy; izany no naloan’ny taranak’i Amona ho azy tamin’ny taona faharoa sy fahatelo koa.
malagasy
Ary niady tamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin'izany taona izany ny taranak'i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan'ny taranak'i Amona ho azy tamin'ny-taona faharoa sy fahatelo koa.